Ilema, ilay mpiangaly mozika hafakely, mpanao horonan-tsary hafakely

Image

Curioussexyauditor: Ilema, miarahaba an’ilema! Izy moa dia afaka arahinareo ao amin’ny twitter: @ilema, ao amin’ny facebook: https://www.facebook.com/ilemagasy

Image 

Curioussexyauditor: Afaka mba milazalaza ny momba anao ve ianao?

Music/electro/rock/trad/ From Antananarivo Madagascar . Teraka tamin’ny taona 2079 ary nanao voyage temporel niverina

taty amin’ny 2013 mba hampahafantatra karazana mozika vaovao ny malagasy sy ny mponina eto an-tany.

i Lema = Malagasy + Elektro + Rock + Rap + Trad gasy + Cinema + Humour +Homemade philosophy

Curioussexyauditor:  Inona ny tena tianao vohizina ao anatin’ny mozikanao?

Arakakaraka, efatra zao ny rakikira homaniko

« Moof Gasy » zay efa vita miresaka fiainana andavanandron’ny malagasy

« i Lema Learns to Dubstep »(mianatra Dubstep)  mirona kokoa any amin’ny feon-kira somary futurist

« i Lema Learns to Rock » (mianatra mirock) mirona kokoa amin’ny resa pitiavan’olon droa

« i Lema Learns to Soundtrack » mozikana sarimihetsika ranoray

ny resaka seho (spectacle) ihany koa dia maro  ny zava baovao hoketrehana

aseho ny malagasy

Curioussexyauditor:  Ahoana ny fahitan’Ilema ny fampiasana ny »réseaux sociaux » amin’izao? Ilainao ve ireny amin’ny fanaparitahana ny sanganasanao?

Mirona kokoa any amin’ny réseaux sociaux ny fampahafantarana ireo sangan’asako izany hoe

mety tsy ho hita eny amin’ny haino aman-jery mihintsy. Mila sera voafehy kokoa, mila sera tsy mandoa vola kokoa

Curioussexyauditor:  Toa hoe mpamorona horonan-tsary koa hono ianao?

Mpamorona horonan-tsary no asako. Io tetikasa  » i Lema  » io dia hirona

kokoa any amin’ny sarimihetsika na ny fomba fihira na ny fomba fisehoana an-tsehatra

Curioussexyauditor:  Afaka dimy taona, raha tsy misy ny sampona, ahoana ny fahitanao an’Ilema?

Afaka 5 taona tiako raha antsoina hoe i Lema , ilay artista nanakorontana sy namadika

ambony ambany ny mozika malagasy mba hipoiran’ny fomba fisainana vaovao.

Afaka 5 taona ihany koa aho mety lasa rock kokoa ny hira fa tsy elektro be intsony.

Afaka 5 taona aho tokony mba mpanao mozika na sarimihetsika.

Curioussexyauditor:  Ianao izany tena mana-talenta amin’ny famoronana, inona ny tena mba nofinofinao ho an’ity Madagasikara malalantsika ity?

Tsy tena hoe manan-talenta amin’ny famoronana aho fa fantatro mazava ny zavatra ilaiko dia

mipoitra ho azy ny ambiny.

Mahay ny malagasy…fa mbola tsy nisy niteny taminy fa mahay izy amin’ny sehatra maro…dia tsy fantany hoe enjana izy

…tiako raha mba anisan’ireo artista manesika an’izany ao an-tsain’ny malagasy aho satria ny misy eo aloha

Hatreto dia mpampirevy fitombenana sy mpampitaingi-tamboho vahoaka fotsiny. Mikasa hanontsana sehatra

Maromaro aho fa tsy hijanona amin’ny mozika sy sarimihetsika fotsiny.

Curioussexyauditor:  Inona ny asa itanao fa tena tsara sady mamokatra?

Izay asa rehetra atao rehefa atao tsara sy matotra dia mamokatra daholo ka.

Curioussexyauditor:  Raha ohatra ka maniry ny hiara-hiasa aminao dia misy traikefa na talenta tsy maintsy hananana ve?

Tsy tena misy hoe mason-tsivana be  fa rehefa maharaka ny hafainganam-pandehako sy mahazo ny zavatra tiako lazaina mba ahafahana manao tetik’asa miaraka dia mety amiko. Dia malaza masiaka zay aho…

Curioussexyauditor: Misaotra anao namaly ny fanontaniana rehetra!

Ity misy vidéo an’Ilema

http://t.co/nAf0qTn4iK

 

Publicités

2 réflexions sur “Ilema, ilay mpiangaly mozika hafakely, mpanao horonan-tsary hafakely

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s