MADAGASCAR : Ma Dago As Cœur

Ny Madagasikarako na lazainlà fa farany amin’ny firenena rehetra maneran-tany aza dia voalohany foana ato am-poko!

Elah milaza fa firenena mahantra indrindra eran-tany izy fa amiko lty izy manan-karena a!

Lazaiko amin’là hoe fa maninona izy no manan-karena:

1-      Izahay na mahantra aza mihinana sakafo lazain’lisany firenena matanjaka hoe “BIO”. Ny sakafonay tsy feno irony “organism génétiquement modifié” irony.

Andramo ange lty ny akoho gasinay atao rony e! Mamelombelon’aina ery!!

Raha sendra ialah lty ka mitohana mihinana irony koba irony: sady matsiro no ho afaka ny fahorian’ialahy!!

2-      Raha eto Antananarivo aloha no jereko manan-karena embotaka (embouteillage) izahay e! Maro tokoa ireo fiara mifamezivezy ary sahirana tokoa fan a dia tsy “heures de pointe” aza mamely ny fitohanana!!!

Maharaka teknolojia elah? Mandeha ao amin’ny “twitter”. Araho ny “hashtag” #TRAFTNR. Ho hitan’ialahy fa tena betsaka ny “tweet” misy azy io! Izy io moa midika hoe “traffic à Tananarive” raha tsy mahay ialahy! Ry zalahy twittos gasy eto Tanà lty no mampiasa azy io a!

3-      Izahay koa manan-karena olona. Efa ho 20 millions mahery izao izahay ny Malagasy eto DAGO. Tsy olon’olom-poana fa maro ireo manan-talenta. Ireo manam-pahaizana koa tsy tambo isaina. Indrisy fa ao koa ireo mpisoloky avo lenta…

Hanananay lty ny olona a! Izahay rahateo koa moa tanora ankabeazanay…

4-      Manana izahay raha hafaliam-po sy fitiavana. Raha tsy ny ilaza fotsiny ny tsikitsiky hanananay!!! Tsy misy olona diso mahantra izany ka tsy afaka ny hitsiky. Lisany befa raha hitsikiana toa mieritreritra ratsy!

Rehefa tonga ny voalohan’ny taona, tsaroanay tokoa fa harena lehibe ny mbola hanananay ray aman-dreny, raibe sy renibe ka hajainay izy ireo. Miara misakafo ny mpianakavy, miara mikorana ary manolotra solom-bodiakoho. Izany tokoa ka fifanajana ary fitiavana. Hanananay izany! Harenanay izany!!

5-      Izahay “Gasy” no tena tompony raha “BENCHMARKING” no resahana. Tsy kôpy ve ialahy hoe inona zany? Mijery ny fanaon’ny olona lty dia izay mety alaina tahaka a! Resinay ialahy rahabamin’izay lafiny izay.

Etsy kely ange dinoho fotsiny fa tatoato tena niroborobo tokoa ity atao ho “ZUMBA FITNESS” hono. Milaza fa manao ZUMBA daholo tsy antitra tsy tanora, tsy lahy tsy vavy. Ka maro no miseho hoe mampianatra ZUMBA hono e.

6-      Tompony izahay raha “adaptation” sy ny fikitikitihana. Raha nanana enti-manana tokoa mantsy izahay ataoko fa eto DAGO no ahitana ny “TUNNING” tsara indrindra maneran-tany. Raha resaka telefona “portable” indray, tsy misy izay tsy hainay. Ndana nge elah mankeny amin’ny Avenue de l’indépendance e! Maniry hoatry ny anana ny mpanamboatra finday.

7-      Maro ireo foko ato Dago. Samy manana ny maha izy azy avy izy ireo. Ka tsy ho tamby isaina amin’ialahy eto daholo ny harena ara-kolo-tsaina eto aminay. Ny fomba amam-panao, ny fomba fitafy, ny fiteny, maro tokoa ka harenanay ireny.

Koa ialahy aza miseho be vava manabaty anay hoe mahantra izahay fa ny harenanay tsy hananan’ialahy. Tsy voatery hitovy ny fijerena ny harena.

Aza tezitra ialahy fa mba mamoaka ny hevitro aho fa ny taninay hono demôkratika e!

Publicités

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s